Ny fitampoha dia lanonana nentim-paharazana malagasy, ampandroana sy anosorana amin' ny menaka manitra sy tantely ny sisan-javatra avy amin' ny vatan' ny mpanjaka sakalava efa nodimandry, atao hoe dady, izay tanterahin' ny Malagasy sakalava any amin' ny faritra Menabe, ao amin' tapany andrefan' i Madagasikara, isaky ny dimy taona (isaky ny folo taona izany teo anelanelan' ny taona 1904 sy 1987), ao amin' ny reniranon' i Tsiribihina, ao Belon' i Tsiribihina, mandritra ny fito andro, mba hahatsiarovana ny mpanjaka sakalava. Andriamisara I no hajaina indrindra amin' ireo mpanjaka sakalava fahiny ireo. Izy dia heverina ho razamben' ny tarana-mpanjaka sakalava, dia ny an' i Menabe sy ny an' i Boina. Tanterahina eo amin' ny nosim-pasika eo afovoan' ny renirano Tsiribihina ny lanonana.
Mandritra ny herinandro, ny mpandray anjara dia mamerina ny zava-nitranga tsirairay teo amin' ny tantaran' ilay fanjakana tamin' ny andro resahin' ny fedrà hatrany amin' ny Zanahary ka hatramin' ny mpandova farany ny mpanjaka fahiny. Kolontsaina sakalava mampisongadina ny fifandraisan' ny velona sy ny maty ny fitampoha. Ny lanonana dia mifarana amin' ny andro Zoma, izay andro ampandroana ny dady ao amin' ilay renirano, hetsika ara-tandindona izay mampiseho ny fifamatorana teo amin' ny tarana-mpanjaka sy ny mponina voalohany tao amin' ilay faritra.