Ny fiteny antankarana na fiteny tankarana dia endriky ny fiteny malagasy ao amin' ny foko antankarana ao amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara, amin' ny Faritanin' Antsiranana, avy eo Ampasimena (andrefana) mankany Vohimarina (Vohémar). Tamin' ny taona 1996 dia nahatratra 88 000 ny isan' ny mpiteny antankarana.