Ny fiteny ao Srilanka dia maro, izay ao anatin' ny sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana (sampana indô-ariana) sy dravidiana ary aostrôneziana, miampy ireo fitenin' ny mpanjana-tany. Fiteny ôfisialin' i Srilanka ny fiteny singaley (indô-ariana) sy ny fiteny tamily (dravidiana). Samy manana ny rafitra fanoratana azy ny tsirairay: ny alfasilabera singaley sy ny alfasilabera tamily. Ny fiteny anglisy dia ampiasaina ho tenim-pifandraisana. Ny fiteny ampiasaina ao amin' ilay nosy dia niantraikan' ireo fiteny samihafa avy any India, any Eorôpa ary any Azia Atsimo-Atsinanana. Ny fitenin' ireo Arabo voanjo sy ny an' ny firenena mpanjana-tany toa an' i Pôrtogaly sy i Hôlandy ary i Britaina Lehibe dia nisy fiantraikany tamin' ny fivoaran' ny fiteny môderina ao Srilanka ihany koa. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012, dia ny 87,0 % amin' ny Srilankey no mahay miteny singaley, ny 28,5 % miteny tamily ary ny 23,8 % miteny anglisy.