Fiteny azerbaijaney

Faritra misy mpampiasa ny fiteny azery.

Ny fiteny azerbaijaney na fiteny azerbaijany na fiteny azery na fiteny tiorka azery dia ao amin' ny vondrom-piteny torkika ao amin' ny fianakaviam-piteny altaîka. Ao Kaokazy sy ao amin' ny faritra Atsinanana Akaiky no ahitana olona miteny azy, indrindra ao Azerbaijàna sy ao Iràna. Ny isan' ny olona miteny io fiteny io dia eo anelanelan' ny 25 sy 35 tapitrisa ka ny 9 tapitrisa mahery ao Azerbaijàna fa ny 10 hatramin' ny 13 tapitrisa eo dia any Iràna.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne