Ny fiteny betsileo dia iray amin' ireo fitenim-paritra malagasy isam-paritra tetenina any amin' ny faritra misy ny Betsileo: faritan' ny ony Mania ao avaratra, ny tanin' ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana. Anisan' ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany ao amin' ny sokajin' ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana izy.