Ny fiteny kaokaziana na fiteny iberô-kaokaziana dia fiteny ampiasain' ny mponina ao Kaokazy[1] izay mizara sokajy telo, dia ireo fiteny kaokaziana avaratra-andrefana (atao hoe fiteny abkazô-adigeana), sy ny fiteny kaokaziana avaratra-atsinanana (atao hoe fiteny nakô-dagestaniana) ary ny fiteny kaokaziana atsimo (atao hoe fiteny kartveliana). Ireo vondrona roa voalohany ireo dia heverin' ny mpahay teny sasany fa iray fiaviana, ary mety fianakavina iray amin' ny fiteny baska, amin' ny fiteny sinô-tibetàna, amin' ny fiteny ieniseiana ary amin' ny fiteny na-dene ao Amerika Avaratra amin' ny fianakaviam-piteny tranainy atao hoe fiteny dene-kaokaziana. Ny vondrom-piteny kaokaziana atsimo, na vondrom-piteny kartveliana, izay ahitana ny fiteny jeôrjiana, dia vondrona hafa manokana izay sarotra ampifandraisina amin' ny fiteny hafa rehetra eran' izao tontolo izao. Tsy mamorona fianakaviam-piteny ireo fiteny kaokaziana ireo fa vondrom-piteny.
Miisa mihoatra ny 80 ny fiteny kaokaziana. Anisan' ny mampiavaka ireo fiteny ireo ny fananany renifeo sy kamban-drenifeo be dia be sy sarotra tononina.