Fiteny rosiana

Fiteny rosiana
Pусский язык

Isan'ny mpiteny 144 tapitrisa (L1)
258 tapitrisa (L1+L2)
Faritany  Rosia sy firenena manodidina
Sata fiteny ôfisialin' i  Rosia,  Kazakstana,  Belarosia ary Endrika:Firenena Mikambana
saritan'ny tany miteny Rosy

Ny fiteny rosiana dia fiteny slava atsinanana ampiasaina any amin' ny firenena tao amin' ny Firaisana Sôvietika teo aloha. Ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialin' i Rosia, izay nitana anjara asa lehibe amin' ny maha fiteny ifandraisan' ny samihafa firenena (lingua franca) azy tao amin' ny Empira Rosiana sy tao amin' ny Firaisana Sôvietika. Mbola ampiasaina ho fiteny faharoa ao amin' ny repoblika sôvietika taloha ny fiteny rosiana. Atao hoe "fiteny rosiana lehibe" izy, ka mitambatra amin' ny fiteny bielôrosiana sy ny fiteny okrainiana ao amin' ny sampana atsinanana amin' ny fianakaviam-piteny slava.

Manana sata ôfisialy ny fiteny rosiana any Rosia, any Kazakstana, any Kirgizistana, ary any Belarosia. Na tsy manana sata ôfisialy aza ny fiteny rosiana dia ampiasain' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha ho fiteny ifandraisana amin' ny vahiny. Vokatr' izany dia isaina eo amin' ny 100 tapitrisa eo ho eo ny olona nianatra ilay fiteny eran' izao tontolo izao. Raha atambatra amin' ny isan' ny olona notezaina tamin' ny fiteny rosiana izany dia eo amin' ny 255 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny rosiana. Noho ny tanjaka ara-tafiky ny Firaisana Sôvietika taloha dia anisan' ny fiteny ôfisiain' ny Firenena Mikambana ny fiteny rosiana miaraka amin' ny fiteny arabo, anglisy, espaniôla, frantsay ary sinoa.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne