Fiteny semitika

Fitsinjarana ara-jeôgrafian' ny fiteny semitika

Ny fiteny semitika dia vondrom-piteny nampiasaina tamin' ny Andro Taloha sy ankehitriny any Atsinanana Akaiky (Azia Atsimo Andrefana) sy ao Afrika Avaratra ary ao amin' ny Tandrok' i Afrika. Anisan' ny fiteny atao hoe hamitô-semitika na afrô-aziatika na afraziana izy ireo ka miely avy amin' ny tapany avaratr' i Afrika hatrany Atsinanana Akaiky. Nanomboka tamin' ny taona 1781 no nanomezan' ilay Alemàna atao hoe August Ludwig von Schlözer anarana toy izany ireo fiteny ireo[1] araka ny anaran' olona iray ao amin' ny Baiboly, dia i Sema zanak' i Nôa (na Nôe)[2]. Amin' izao fotoana izao dia ireto avy ny lehibe amin' ireo fiteny ireo: ny fiteny arabo, amharîka, tigrinia, hebreo, soreta (na arameana atsinana vaovao), arameana andrefana vaovao, maltey ary siriaka. Mampiavaka ny fiteny semitika ny fampiasana fototeny foronin-drenifeo telo[3] sy ny fampiasana renifeo tononina am-bavatraoka sy an-janadela ary anterina mafy.

  1. Paul Joüon, Grammaire de l'hebreu biblique, Institut biblique pontifical, 1923, p. 2.
  2. Genesisy 10.31: "Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny." (Ny Baiboly - Baiboly protestanta)
  3. Paul Joüon, Grammaire de l'hebreu biblique, Institut biblique pontifical, 1923, p. 3.

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne