Fiteny sihanaka

Sarin-tany maneho ny faritra misy ireo fitenim-paritra eto Madagasikara

Ny fiteny sihanaka dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina any amin' ny faritra misy ny Sihanaka: manodidina ny farihin' Alaotra, voafaritry ny renirano Bemarivo ambony sy Tampoketsa Atsimo ao avaratra, ny renirano Mahajamba ambony ao andrefana, ary ireo havoana misy ny Bezanozano sy ny ala ao atsinanana. Anisan' ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany ao amin' ny sokajin' ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana izy.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne