Fiteny soreta

Ny fitny soreta na fiteny arameana vavaovao avaratra-atsinanana (amin' ny fiteny siriaka: ܣܘܪܬ), izay fantatra koa indaindray aminhy anarana hoe fiteny asiriana na fiteny kaldeana, dia fitenim-paritry ny fiteny arameana.tenenin' ny vahoaka asiriana. Ity fiteny ity dia fiteny semitika ampiasain' ny Kristianina sy ny vondrona asiriana-kaldean-siriaka sy vondrom-poko ao Iràka, ao Iràna, ao Siria ary ao amin' ny tapany atsimo-atsinanana amin' i Torkia.

Mbola ampiasain' ny Jiosy any amin' ny lemak' i Ninive sy any Kordistana irakiana izay nifindra monina any Israely teo anelanelan' ny taona 1949 sy 1952 koa ity fiteny ity. Miova ny isan' ny mpiteny azy, any amin' ireo faritra ireo sy maneran-tany, araka ny mpanao tombana, eo anelanelan' ny 500 000 sy 2 tapitrisa.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne