Ny fiteny tamily na fiteny tamoly dia fitenin' ny vahoaka tamily (dravidianina taloha) any India sy any Srilanka. Fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery sy Karîkâl any India izy. Fiteny ôfisialy any Singaporo ihany koa ny fiteny tamily. Olona miisa 74 tapitrisa mahery no miteny tamily eran-tany, araka ny voalazan' ny World Almanac 1994. Atao hoe தமிழ் / tamil izy amin'ny fiteny tamily.
Fiteny anisan' ny fiteny diravidianina ny fiteny tamily izay anisan' ny fiteny tranainy indrindra eto an-tany. Tsy ary niova firy ilay fiteny na dia efa nisy 2 500 taona aza. Soratana amina soratra avy amin' ny soratra brahmy ny fiteny tamily.