Ny fiteny tigrinia dia fiteny hamitô-semitika anisan' ny fianakaviam-piteny semitika sady tenenina indrindra ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' ny Tandrok' i Afrika. Atao hoe ትግርኛ / tɨɡrɨɲa io fiteny io amin' ny fiteny tigrinia. Izy no fiteny ôfisialin' i Eritrea sy ny fanjakam-paritr' i Tigray ao Etiôpia.
Misy mpiteny tigrinia miisa 4 320 000 ny ao Etiôpia tamin' ny taona 2007, miisa 2 540 tao Eritrea tamin' ny taona 2006, ary 6 915 000 ny fitambaran' izy ireo maneran-tany. Matetika izy no atao fiteny faharoa, na ao Eritrea sy ao Etiôpia, na any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Sodàna Avaratra, sy any Jibotỳ, ka izany dia tsy ahalalana marina ny tena isan' ny mpiteny tigrinia.
Ny fiteny tigrinia, sahala amin' ireo fiteny hafa ao amin' ny Tandrok' i Afrika, dia soratana amin' ny alalan' ny abidim-baninteny geezy.