Ny fitsaboana nentim-pharazana dia ny fanao sy fomba fiasa ary ny fahalalana amam-pinoana momba ny fahasalamana ampiasana singa avy amin' ny zavamananaina (zavamaniry na biby) sy singa avy amin' ny zavatra tsy manana aina (vato, tany, rano, sns) ary fanao ara-pivavahana, ampiasana tanana (fanorana, sns) mba hisakanana ny aretina na hamantarana sy hanasitranana sy hitandroana ny fahasalamana, ka voakasika amin' izany na ny vatana (aretina, ratra, vay, sns) na ny fanahy.
Maro ny firenena aty Afrika sy ao Azia sy any Ôseania ary any Amerika Latina izay ahitana fitsaboana nentim-paharazana. Ny aty Afrika dia ny 80 % amin' ny mponina no mila an' io fitsaboana io mba hitsaboany noho ny tsy fahampiana sy ny fahalafosan' ny fitsaboana môderna. Any Sina dia ny 30 hatramin' ny 50 % amin' ny zavatra itsaboana ara-pomban-drazana dia avy amin' ny zavamaniry.