Ny fokom-pirenen' i Benjamina na firenen' i Benjamina dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao antsinanana. Iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina.