I Goiana na Repoblika Kôperativan' i Goiana (anglisy: Co-Operative Republic of Guyana), Goiana Britanika taloha, dia firenena any Amerika Atsimo, , ao amin' ny tapany avaratry ilay zana-kôntinanta ary manana morontsiraka ao amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Fanapin' izany dia izy no fanjakana tokana ao Amerika Atsimo izay manao ny fiteny anglisy ho fiteny ôfisialy. I Georgetown no renivohiny.
Misy endri-toerana isan-karazany ny ao Goiana ary ahitana faritra voajanahary maromaro: ny faritra amorontsiraka, any avaratra, izay mitohy any amin' ny faritra misy fasika fotsy; ny avaratra-andrefana, rakotra ala mikitroka; ny afovoany-andrefana, faritra be tendrombohitra izay misy mahatratra 2 875 m eo amin' ny Tendrombohitra Roraima; ary ny atsimo, ahitana lembalemba rakotra ny hivoka. Manana renirano lehibe maromaro i Goiana, anisan' izany ny Ony Essequibo.
Zanatany britanika teo aloha i Goiana izay nahaleotena nanomboka tamin' ny taona 1966 (tamin' io daty io no nitondrany ny anarana hoe Goiana), saingy mbola isan' ny mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy.