Ny herinandro dia tsingerim-potoana izay fitambarana andro maromaro tsy mihoatra ny iray volana na ny tsingerim-bolana iray. Ny herinandro misy fito andro mifanesy no tena be mpampiasa. Ny iray volana dia misy efatra herinandro mahery kely, raha fito andro ny iray herinandro; ary ny iray taona misy 52 herinandro mahery kely. Arakaraka ny safidin' ny fanjakana na ny antokom-pivavahana na ny vahoaka tsirairay dia mety hanomboka amin' ny andro Alahady na Alatsinainy na andro hafa ny herinandro. Ireto avy ny anaran' ny andro ao amin' ny herinandro, amin' ny teny malagasy , izay misy andro fito: Alatsinainy, Talata, Alarobia, Alakamisy, Zoma, Asabotsy ary Alahady.