Ny hetsika karismatika vaovao, izay atao hoe koa pentekôtisma vaovao, dia firehan' ny kristianisma ara-pilazantsara izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny fanombohan' ny taomplo 1980 izany hetsika izany, izay atao hoe "onja fahatelo"[1]. Maro ny fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io hetsika io. Ny batisan' ny Fanahy Masina izay nolazain' i Jesoa mialoha, sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io hetsika io. Ny foto-kevitry ny hetsika karismatika evanjelika dia noraisin' ny hetsika karismatika vaovao nefa naitany sady notovonany singa teôlôjika fanampiny toy ny ady ara-panahy sy ny tenin' ny finoana ary ny fanavaozana ara-drafitra. Ny fiangonana ao amin' ity hetsika ity dia antsoina hoe fiangonana pentekôtista vaovao na fiangonam-pifohazana. Araka ny tarehimariky ny Pew Research Center tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io.