Hoto (vahoaka)

Ny Hoto, izay atao hoe Bahoto koa, dia vahoaka miteny banto ao Roanda sy Borondy, ao amin’ ny faritra anelam-parihy ao Afrika Afovoany. Ny fitenin’ izy ireo no lasa fitenin’ ny Totsy koa. Araka ny famaritana tamin' ny andron' ny fanjanahan-tany dia mpamboly ny Hoto ary 1,67 m ny salan-kalavan’ ny lehilahy[1]. Soratana hoe Hutu io anarana io amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny kiniaroanda.

  1. "Rwanda", in Encycopaedia Universalis, 1996

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne