Israely

Sainan' i Israely
Sarin-tanin' i Israely eo anivon' izao tontolo izao

I Israely na Fanjakan' i Israely dia firenena ao amin' ny faritra Atsinanana Akaiky, any Azia. Ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea izy ary mitomandavana mianatsimo hatrany amin' ny Hoalan' i Aqaba izy. I Jerosalema no renivohiny nefa tsy ankatoavin’ ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izany. I Jerosalema ihany koa no tanàna lehibe indrindra dia raha ampidirina ao i Jerosalema Atsinanana. 20 770 km2 ny velarany ary 8 847 400 ny isan' ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny Avrily 2018. Ny faritr' orany dia +2. Mamaritra an' i Israely ao avaratra i Libanona, ao avaratra-atsinanana i Siria, any atsinanana i Jôrdania sy i Sisjôrdania (na Jôrdania Andrefana), ary any atsimo-andrefana i Ejipta sy ny Salavantanin' i Gaza. Ny laharam-pehintaniny sy ny laharan-jarahasiny dia 29° avaratra sy 34° atsinanana.

Atao hoe יִשְׂרָאֵל / Yisrā'el sy מְדִינַת יִשְׂרָאֵל / Medīnat Yisra'el izy amin' ny teny hebreo fa إِسْرَائِيلُ / Isrā'īl sy دولة إسرائيل / Dawlat Isrā'īl kosa amin' ny teny arabo.

Fanjakana mpanao teti-dratsy sy famonoana faobe i Israely izay mameno sy mibodo ny ankamaroan'ny faritany ao Palestina.

Manana morontsiraka ao amin' ny ranomasina telo i Israely, dia ny Ranomasina Mediteranea ao avaratra, sy ny Ranomasina Maty ao atsinanana, ary ny Ranomasina Mena ao atsimo (izay ampifandraisin’ ny Hoalan' i Aqaba). Na dia eo aza ny tany efitr' i Negev (izay mameno ny antsasa-manilan' ny tanim-pirenen' i Israely) dia nisy ny fambolena hazo miisa 200 tapitrisa any ho any nanomboka tamin' ny taona 1948. Mihoatra ny 80 % amin' ny Israeliana ny Jiosy, fa ny 20 % kosa dia Arabo. Anisan' ny firenena manan-karena indrindra eto an-tany i Israely raha ny fidiram-bolan' ny isam-batan' olona no heverina.

Vokatry ny fizaràna ny faritr' i Palestina izay natolotry ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1947 ny Fanjakan' i Israely, izay niforona tamin' ny taona 1948 taorian' ny fanambaràna ny fahaleovantenany. Ankehitriny dia manana velarana mirefy 21 946 km2 i Israely. Tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena anefa ny sisintaniny ankehitriny, izay vokatry ny ady voalohany nifanaovany tamin' ny firenena arabo manodidina azy tamin' ny taona 1949.

Sarin-tanin' i Israely

Taorian' ny fandreseny tamin' ny Ady Enina Andro tamin' ny taona 1967 dia nibodo ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania) i Israely. Nampidiriny ho isan' ny taniny tamin' ny taona 1981 ny Lembalemban' i Golan, izay azony tamin' ny alalan' ny fanafihana tamin' io fotoana io. Naitany koa ny velaran-tany ananany fiandrianana ao amin' ny ampahan-tanànan' i Jerosalema onenan' ny Arabo. Lasa nitambatra indray ity tanàna ity ary nambaran' ny mpitondra israeliana ho renivohitry ny Fanjakan' i Israely. Tsy ankatoavin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena anefa izany fanatambarana an' i Jerosalema izany.

Hoalan' I Umm Rashrash

Tamin' ny volana Mey 1994 dia nisy fifanarahana, teo amin' i Israely sy ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina (frantsay: Organisation de libération de la Palestine -- OLP), izay nametraka fitantanana palestiniana mizaka tena ho an' ny Salavantanin' i Gaza sy ny tanànan' i Jerikô ao Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania). Miteraka fifanoherana mahery vaika teo amin' ny roa tonta ny fifampiraharahana maro momba ny fandriam-pahalemana teo amin' i Israely sy ny firenena arabo – niantomboka tamin' ny Septambra 1993 ary niompana amin' ny satan' ny fizaràn-tany maro voabodo na nakamban' i Israely amin' ny tanim-pireneny ary amin' ny fiandrianana palestiniana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne