I Jacques Pronis na Jacques de Pronis, dia administratera mpanjanaka frantsay teto Madagasikara, mpamorona ny tobim-barotra frantsay tao Fort-Dauphin tamin' ny taona 1643. Prôtestanta avy any Normandia izy, ary maty tamin' ny 23 May 1655 teto Madagasikara. Governora tamin' ny taona 1642 ka hatramin' ny 1648 izy, avy eo ny mpanampy an' i Étienne de Flacourt izay nandimby azy tamin’ ny taona 1654 hatramin' ny 1655.