I Jeho dia mpanjakan' i Israely, zanak' i Jôsafata (tsy mpanjaka) sy zafikelin' i Nimsy. Tamin' ny taona 841 hatramin' ny 814 tal. J.K. no nanjakany ka 28 taona ny faharetan' izany. Araka ny Baiboly dia mpitari-tafiky ny mpanjaka Jôrama i Jeho. Tamin' ny faharesena tao amin' ny fanaovam-pahirano an' i Ramôta ao Galaada (na Ramôta-Gileada) izay nampandratra an' i Jôrama dia nitarika ny tafika hanongana an' i Jôrama i Jeho ka namono an' i Jôrama tao Jezrela (na Jezraela) tamin' ny alalan' ny zana-tsipìka natsatoka tao an-damosiny ka nanipy ny fatiny tany an-tsahan' i Nabôta izay novonoin' ny ray aman-drenin' i Jôrama (dia ny mpanjaka Ahaba na Akaba sy i Jezebela na Jezabela) tany aloha. Novonoin' i Jeho koa ireo zanak' i Jôrama sy i Jezebela reniny. Tanteraka noho izany ny faminanian' i Elia ny amin' ny hamalian' Andriamanitra an' i Jezebela sy ny fandimbiasana an' i Jôrama.