31°46′56″N 35°13′04″E / 31.78233°N 35.21767°E
Jerosalema | ||
![]() | ||
Velarantany | 125,1 km2 | |
Isam-ponina | 936 400 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | Moshe leon | |
Firenena | ![]() | |
Faritany | NC | |
Faritra | NC |
I Jerosalema izay atao hoe Salema koa indraindray, no renivohitr' i Israely. Tanàna ao Atsinanana Akaiky izay manan-danja lehibe eo amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana ary mozilmana. Ny Palestiniana koa dia maniry an' i Jerosalema ho renivohitry ny fireneny. Manana velarana 125,1 km2 i Jerosalema ary misy mponina misa 936 400 tamin' ny taona 2019. Maro ny karazam-pivavahana hita ao amin' io tanàna io, maro tahaka izany koa ny karazam-bahoaka.
Ny anarana ôfisialy israelianan' i Jerosalema amin' ny teny hebreo dia יְרוּשָׁלַיִם / Yerushaláyim, fa ny anarany ôfisialy israeliana amin' ny teny arabo kosa dia القدس / al Quds na اورشليم Ûrshalîm.
Ny toerana nisy ny Tanàna Tranainy kosa (izay manana velarana latsaky ny 1 km2) dia voatsinjara ho vakin-tanàna efatra: dia ny vakin-tanàna mozilmana, ny vakin-tanàna armeniana, ny vakin-tanàna kristiana ary ny vakin-tanàna jiosy. Ireo vakin-tanàna ireo dia voahodidina manda ka ny ampahany azo jerena ankehitriny dia naorina tamin' ny taona 1535 sy 1538.