Kimpa Vita

Kimpa Vita

I Kimpa Vita dia mpaminanivavy kôngô, mpanorina sady nitarika ny hetsika ara-pivavahana antônianista, izay fifangaroan' ny katôlisisma sy ny fivavahan-drazana tao Kôngô. Atao hoe Kimpa Mvita, Tchimpa Vita, Dona Beatriz na Beatriz Kimpa Vita koa izy. Teraka tao Mbanza Kongo (ao Angôla ankehitriny) izy tamin' ny taona 1684 ary maty tao Evolulu (ao Angôla ankehitriny) tamin' ny 2 Jolay 1706. Nitolona ho an' ny fampitambarana ny fanjakan' i Kôngô izay tsy nisy fitondrana tafaorina fa tsy nilamina izy. Voaheloka ho faty izy ary maty tamin' ny fandorana azy velona. Isan' ireo olona niaina tamin' ny morontsiraka atlantikan' i Afrika tamin' izany fotoana izany izay betsaka nanoratra izy: gazety, tatitra ary taratasin' ny misiônera kapotsinô italiana niasa tamin' izany faritra izany (Luca da Caltanisetta, Marcellino d'Atri, Bernardo da Gallo ary Lorenzo da Lucca).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne