Ny krisianisma aty Afrika dia tafaorina tamin' ny taonjato voalohan' ny fivavahana kristiana, indrindra tao Afrika Avaratra nofehezin' ny Rômana. Tamin' ny taona 1910 dia ny 1 %n' ny Kristiana no hita taty Afrika, tamin' ny taona 2010 dia nahatratra ny 23 % izany. Vitsy anisa ny Kristiana any Afrika Avaratra fa fivavahan' ny maro anisa kosa izy aty Afrika atsimon' i Saharà (63 %). Ny kristianisma dia hita aty amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika ary saika manerana an' i Afrika Afovoany sy Afrika Atsinanana. Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 dia ny kristianisma sy ny silamo no fivavahana lehibe indrindra aty Afrika. Ny isan' ny Kristiana aty Afrika no mahery mitombo indrindra maneran-tany tamin' ity taonjato faha-21 ity. Izany fitomboana izany dia vokatry ny fielezan' ny kristianisma evanjelika sy ireo fiangonana teratany afrikana izay 36 %n' ny mponina aty Afrika atsimon' i Saharà, ka Katôlika ny 21 % amin' izany.