Ny kristianisma tandrefana dia ny fitambaran' ny Fiangonana katôlika sy ireo Fiangonana Prôtestanta, indrindra ao amin' ny tapany andrefan' ny kôntinentan' i Eorôpa sy ao amin' ny kôntinentan' i Amerika sy i Afrika ka hatrany Aostralia. Nanomboka tamin' ny nielezan' ny fivavahana kristiana taorian' ny taonjato faha-16 taty Afrika sy tany Ôseania dia tsy tena voafaritra ara-jeôgrafia ny hoe "kristianisma tandrefana" fa ara-pirehan-kevitra na ara-teôlôjia sy araka ny fiavian' ny sampan' ny kristianisma arahin' ny fiangonana resahina.
Anisan' ny tsy mampitovy ny fiheveran' ny kristiana tatsinanana sy tandrefana ny amin' ny fahotana lovana sy ny amin' ny fivoahan' ny Fanahy Masina ary ny fotoam-pankalazana ny Paska. Tsy mitovy koa ny tetiandro ampiasaina satria ny Tandrefana mampiasa ny tetiandro gregôriana fa ny Tatsinanana kosa mampiasa ny tetiandro joliana. Tsy mitovy ny fotoana ankalazana ny Noely. Ny Kristiana tandrefana no mitana ny laharana voalohany raha ny habetsahan' ny mpino no jerena satria mahatratra 90 % amin' ny isan' ny Kristiana maneran-tany.