Ny kristianisma tatsinanana dia mampivondrona sampana maro amin' ny kristianisma sy antokom-pinoana samihafa: ny Fiangonana antekalkedôniana (toy ny Fiangonan' ny Kônsily Telo sy ny Fiangonan' ny Atsinanana), ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana ary ny Fiangonana Katôlika Tatsinanana. Mampiasa io andia-nteny io ny mpahay tantara mba hanondroana ny kristianisma ao Eorôpa Atsinanana taorian' ny fisarahana tamin' ny 1054, ka mifanohitra amin' ny "kistianisma tandrefana". Nisy fiantraikany ara-pôlitika sy ara-teôlôjia io fisarahana io, izay niteraka ny famaritana ny hoe Andrefana "latina" sy Atsinanana "bizantina".
Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, izay misy mpino eo amin' ny 280 tapitrisa eo ho eo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21, no mamorona vondrom-piarahamonina maro anisa ao amin' ny kristianisma tatsinanana. Ny "Kristiana any Atsinanana" kosa dia Kristiana avy ao amin' ny antokom-pinoana samihafa (antekalkedôniana, ôrtôdôksa, katôlika, prôtestanta) monina any amin' ny faritra Atsinanana Akaiky sy Atsinanana Afovoany. Vitsy anisa izy ireo izay misy mpino 10 ka hatramin' ny 11 tapitrisa.