Ny teny hoe Kristy, dia ampiasain' ny Kristiana hanondroana an' i Jesoa na Jesosy. Ampiasaina ho anaran-tsamirery sy anaram-boninahitra izy io, indrindra fa amin' ny fampiasana azy amin' ny hoe "Kristy Jesoa", izay midika hoe "Mesia Jesoa", sy ny fampiasana azy tsy miaraka amin' ny teny hafa hoe "Kristy". Ny epistily nosoratan' i Paoly, izay lahatsoratra voasoratra voalohany ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia matetika milaza an' i Jesoa ho "ny Kristy Jesoa" na "ny Kristy".
Ny foto-kevitra momba an' i Kristy ao amin' ny kristianisma dia avy amin' ny foto-kevitry ny hoe mesia ao amin' ny jodaisma. Mino ny Kristiana fa i Jesoa no Mesia ambara ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny Testamenta Taloha kristiana. Na dia mitovitovy aza ny fiheverana momba ny mesia ao amin' ireo fivavahana ireo, dia samy hafa izy ireo noho ny fisarahan' ny kristianisma sy ny jodaisma tamin' ny taonjato voalohany.
Na dia nino aza ny mpianatr' i Jesoa tany am-boalohany fa i Jesoa no ilay Mesian' ny Jiosy, ohatra ao amin' ny fiekem-pinoan' i Petera na Piera, dia matetika antsoina hoe "Jesoa avy any Nazareta" na "Jesoa zanak' i Jôsefa" i Jesoa. Nantsoin' ny Kristiana hoe "Jesoa Kristy" na "Jesosy Kristy" (midika hoe "Jesoa Mesia" na "Jesoa ilay Voahosotra" i Jesoa, izay inoany fa ny fanomboana azy sy ny fitsanganany tamin' ny maty dia mahatanteraka ny faminaniana momba ny Mesia ao amin' ny Testamenta Taloha.