I KwaZulu-Natal, izay fantatra amin' ny hoe KZN, dia faritany ao Afrika Atsimo. Izy no fitambaran' ny faritanin' i Natal teo aloha amin' i Zulu Bantustan ao KwaZulu. Faritany faharoa be mponina indrindra ao Afrika Atsimo (izay misy mponina 11,1 tapitrisa eo ho eo tamin' ny taona 2016), i KZN izay nomena anaram-bosotra hoe "faritany zaridaina” sady ny ankamaroan' izy ireo dia Zolo. Manomboka any amin'y sisin-tanin' i Esoatiny sy Môzambika ka hatrany East Cape any atsimo ity faritany ity. Ny afovoan-tanin' i KZN dia manamorona an' i Lesôtô sy ireo faritanin' i Free State ary ny an' i Mpumalanga. Mbola misy fanjakam-pabnjaka zolo ny ao amin' ilay faritany.