Ny magy na majy dia mpianatr' i Zaratostra, na olona tao amin' ny sarangan' ny mpisorona persiana, na olona anisan' ny fokom-pirenena mediana (araka an' i Herôdôtôsy) izay nisahana ny asam-pisoronana tany Iràna. Nisy amin' izy ireo ny voalaza ao amin' ny Baiboly fa notarihina kintana iray ka tonga namangy sy nanolotra fanomezana ho an' i Jesoa (na Jesosy) vao teraka. Raha itarina ny hevitry ny teny hoe "magy" na "majy" dia ampiasaina ho mitovy hevitra amin' ny hoe "mpanao mazia".