Mahajanga | ||
![]() | ||
Velarantany | 51,05 km2 | |
Isam-ponina | 246 022 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | ![]() | |
Faritany | Mahajanga | |
Faritra | Faritra Boeny |
I Mahajanga na Majunga, dia tanàna misy seranan-tsambo any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, eo amin' ny vavaranon' i Betsiboka ny misy azy. Izy no renivohitry Faritra Boeny sy ny Faritanin' i Mahajanga. 550 km any avaratra-andrefan' Antananarivo no misy azy. Mahajanga dia nisy mponina 246 022 tamin' ny taona 2018 ary tanàna fahefatra lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian' Antananarivo sy Toamasina ary Antsirabe[1].
Renivohitry ny Sakalavan' i Boeny ny tanànan' i Mahajanga. Ny mpanjaka Andriamisara Efadahy no mpanjaka sakalava farany talohan' ny natongavan-dRadama I mpanjakan' Imerina.