Ny Mandeana na Sabeana Mandeana na Sabeana dia vondrom-poko ara-pinoana avy ao amin' ny lemak' antsanga any amin' ny tapany atsimon' i Mesôpôtamia, izay manaraka ny fivavahana atao hoe mandeisma.
Amin' ny teny arabo izy ireo dia atao hoe المندائيون / al-Mandāʾiyyūn na الصابئة المندائيون / al-Ṣābiʾa al-Mandāʾiyyūn na الصابئة / al-Ṣābiʾa.
Ny Ady tao Iràka tamin' ny taona 2003 dia nampihena be ny isan' izy ireo, izay teo anelanelan' ny 60 000 sy 70 000 tamin' izany fotoana izany. Nifindra tany Iràna sy tany Siria ary tany Jôrdania, ankoatra ny toerana hafa, ilay vondrom-piarahamonina.
Mino izy ireo fa i Joany Batista no mpaminany farany sy manan-danja indrindra. Mety ho anisan' ny antokom-pivavahana voalohany manao batisa izy ireo, ary mety ho anisan' ny mpanaraka ny gnôstisisma voalohany indrindra, ka izy ireo no sisa mbola velona ankehitriny.
Teratany amin' ny fampiasana ny fiteny mandeana - izay fiteny arameana atsinanana, talohan' ny nandraisany ny fiteny arabo mesôpôtamiana na ny fiteny persiana ho fiteniny - ny Mandeana.