Ny mangahazo na kazaha na kajaha na balahazo na mahôgo dia zavamaniry amin’ ny faritra mafana, avy any Amerika. Toy ny hazo kely maniry ny mangahazo ka mety mahatratra 240 sm ny haavony miala amin’ ny tany. Miloko mavo manopy maitso ny voniny. Ny halavan’ ny fakany, izay fihinana (atao hoe vodiny).