Ny manikeisma dia fivavahana naorin' ilay Persiana atao hoe Manỳ (na Manika) tamin' ny taonjato faha-3. Fifangaroan' ny zôrôastrisma sy ny bodisma ary ny kristianisma ity fivavahana ity. Ankehitriny dia atao hoe manikeisma ny fiheverana na ny fihetsika manatsotra zavatra izay mamaritra sy manasaraka ny Tsara sy ny Ratsy. Nandray zavatra be dia be tamin' ny gnôstisisma ny manikeisma. Ivon' ny fampianaran' ny manikeisma ny fizaràny izao rehetra izao ho roa (doalisma), ahitana ny fanjakan' ny Tsara (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan'ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' i Satana.