Ny manjarano na grafita dia karazana mineraly izay anisan' ny fanova endrika voajanaharin' ny karbônina, sahala amin' ny diamondra, ny lônsdaleita ary ny saôita koa. Endrika kristalin' ny karbônina ny manjarano. Sosona grafenina maro mitambatra no mamorona azy. Ny eva simikany dia C nefa ny eny amin' ny natiora dia ahitana soritra hidirôzenina (H), azôta (N), ôksizenina (O), silisiôma (Si), viraty (Al), vy (Fe) na tanimanga mihitsy aza. Miseho eny amin' ny natiora ny manjarano ary izy no endriky ny karbônina mari-toerana indrindra amin' ny fepetra mahazatra.
I Abraham Gottlob Werner, mineralôjista alemàna, no namorona ny teny hoe "grafita" tamin' ny taona 1789, avy amin' ny teny grika hoe γράφω / gráphô, izay midika hoe “manoratra”.
Manjarano voatr' olombelona sy voajanahary be dia be no ampiasaina (300 000 taonina isan-taona tamin' ny taona 1989) amin' ny fanamboarana pensilihazo sy menaka fandamana ary lahinaratra. Manova azy ho diamondra ny tsindry sy ny hafanana ambony. Mpampita aratra sy hafanana tsara izy (fa tsy tena tsara).