Martin Lotera | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Martin Lotera | ||
Teraka | 10 Nôvambra 1483 | ||
Maty | 28 Febroary 1546 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Alemaina | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Martin Lotera dia teôlôjiana alemàna anisan' ireo nitarika ny Fanavaozam-piangonana na Refôrmasiôna prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16, teraka tamin' ny 10 Nôvambra 1483 tao Eisleben ary maty tamin' ny 28 Febroary 1546 tao Eisleben ihany koa.
Nisy vokany lehibe teo amin' ny fandrosoan' ny kristianisma ny fanavaozam-piangonana notorin' i Martin Lotera ary ny foto-pampianarana nipoitra tamin' izany dia nisy akony teo amin' ny fianinan' ny vahoakan' i Eorôpa, tsy amin' ny ara-pivavahana ihany fa amin' ny lafiny ara-pôlitika sy ara-toekarena koa.
Nisahirana ny amin' ny fanontaniana maro momba ny fahafatesana sy ny famonjena izay nampiavaka ny kristianisma tamin' ny Andro Antenatenany i Lotera, ka nanovo valinteny avy ao amin' ny Baiboly, indrindra ao amin' ny Epistily nosoratan' i Paoly ho an' ny Rômana. Araka ny hevitr' i Lotera, ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia fanomezana malalaka avy amin' Andriamanitra izay raisina amin' ny alalan' ny fibebahana amin-kitsim-po sy amin' ny finoana marina an' i Jesoa Kristy ho Mesia, tsy misy fanelanelanan' ny Fiangonana. Nihantsy ny fahefan' ny papa i Lotera amin' ny filazany fa ny Baiboly no hany loharanon' ny fahefana kristiana[1].