Ny Masikoro dia foko malagasy any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara izay mivelona indrindra amin' ny fiompiana sy ny fambolena. Manakaiky ny Vezo izy nefa miavaka amin' izy ireo: hafa tsy tahaka ny an' ny Vezo ny fomba fiainany ary mifamatotra amin' ny Fanjakan' i Fiherenana na Fanjakana Masikoro ny tantarany.
Ny Masikoro dia monina amin' ny faritra manodidina ny alan' ny Mikea, izay fifangaroan' ny alan-javamaniry be tsilo sy ala maina manamorona ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ao amin' ny Faritanin' i Toliara. Toy ny Vezo sy ny Mikea dia heverina ho anisan' ny vondrom-poko sakalava ny Masikoro; ny mahasamihafa azy dia ny Masikoro monina an-tanety fa ny Vezo amoron-dranomasina ary ny Mikea any anaty ala.