Mexihco Tlacetililli Tlahtohcayotl ((nah)) | |||||
((nah)) | |||||
Estados Unidos Mexicanos | |||||
Etazonian'i Meksika ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : tsy misy | |||||
Teny ofisialy | Espaniola | ||||
Renivohitra | Mexico 19° 0′ N, 99° 0′ O | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Mexico | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filohan'i Meksika |
Repoblika federaly Andrés Manuel López Obrador | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 13 1 972 550 km² 2,5 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 11 106 682 500[1] mpo. 54 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Meksikanina | ||||
IDH (2004) | ▲ 0,821 (ambony) faha 53[2] | ||||
Sandam-bola | Peso Meksikanina ($) (MXN )
| ||||
Faritr'ora | UTC -7 à -9 | ||||
Hiram-pirenena | Himno Nacional Mexicano | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+52
|
Ny Meksika, azo antsoina ihany koa hoe Fanjakana mivondron' i Meksika, dia firenena any Amerika Avaratra izay faritan' i Etazonia avaratra sy i Beliza sy i Goatemala any antsimo. Miisa 107 tapitrisa ny ny mponina any Meksika (20 tapitrisa ao amin' ny tanànan' i Mexico renivohitra).
Ny vohon-tany any Meksika dia manasongadina lembalemba midadasika be tendrombohitra; miorina any amin' ny 2 200 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina i Mexico renivohitra. Misy volkano maro ny ao amin' io firenena io. I Rio Grande no ony lava indrindra any: io ony io no ampahany be amin' ny sisintany manasaraka azy amin' i Etazonia.
Vondrona lehibe telo no mandrafitra ny mponin' i Meksika: ny Meksikana manam-piaviana espaniôla sy ny Amerindiana ary ny Safiotra (Mestizos) avy amin' ny fifanambadian' ny Espaniôla sy ny Amerindiana. Ny ankabetsahan' ny mponina (75 %) dia mipetraka an-tanàn-dehibe; ny vangongon-tanànan' i Mexico (izay anisan' ny lehibe indrindra eran-tany) irery dia onenan' ny 17 % amin' ny mponina ao Meksika. Maherin' ny 93 % amin' ny mponina no katôlika.
I Meksika no firenena faha-10 manan-karena indrindra eran-tany. Betsaka sy isan-karazany ny loharanon-karena voajanahary ao aminy, ka anisan' izany ny solitany (i Meksika no mpamokatra faha-6 lehibe indrindra eran-tany), ny etona voajanahary, ny arintany, ny vy, ny volamena, ny volafotsy.
Tantaran' ny sivilizasiôna malaza nisy talohan' ny nahatongavan' i Christophe Colomb tany Amerika aloha ny tantaran' i Meksika, anisan' izany ny Ôlmeka (vahoaka), ny Maia (vahoaka), ny Tôlteka (vahoaka) ary ny Azteka (vahoaka). I Francisco Fernández de Cordóba, mpikaroka tany vaovao, no Eorôpeana tonga tany Meksika voalohany. Zanatany espaniôla nanomboka tamin' ny taona 1535 i Meksika.
Nahazo ny fahaleovan-tenany i Meksika firenena ity tamin' ny taona 1821. Tamin' ny faran' ny Ady nifanaovan' i Meksika sy Etazonia (taona 1846-1848), dia nomen' i Meksika an' i Etazonia i California sy i Nouvelle-Mexique ary i Texas. Avy eo dia nifarana tamin' ny faharesen' i Frantsa ny "Ady tany Meksika" (taona 1861-1867); na izany aza dia tena tanjona ara-pôlitika lehibe tany Amerika ho an' ny emperora Napoléon III i Meksika.
Nipoaka ny Revôlisiona Meksikana tamin' ny taona 1911: i Emiliano Zapata sy i Pancho Villa no nitarika izany. Tamin' ny taona 1992, dia nanao sonia ny Fifanarahana momba ny Varotra Malalaka Amerikana Avaratra (Accord de libre-échange nord-américain na Alena) niaraka amin' i Etazonia sy i Kanada i Meksika: anisan' ireo faritra ara-barotra lehibe indrindra eran-tany izany.