Midrasa

Pejin-dohatenin' ny fanontana ny Midrash Tehillim (Praha, 1613).

Ny Midrasa dia lahateny na lahatsoratra nataon' ny raby ivoasany ny Torah mba hanazavana ny zavatra momba ny lalàna na ny fitondran-tena. Amin' ny teny hebreo izany dia atao hoe מדרש / midrash. Ny tanjon' ny fanaovana midrasa dia ny hanazava ny hevi-dalina miafina ao ambadiky ny hevitra ara-bakitenin' ny Baiboly. Anangonana ny fivoasana nataon' ny raby maro ny amin' ny lalàna sy ny fomba amam-panao resahina ao amin' ny Soratra Masina ny Midrasa. Maro ny midrasa (midrashim) voasoratra ka naharitra taonjato folo no nanaovana izany. Natao am-bava aloha ny midrasa vao izay noraiketina an-tsoratra taty aoriana. Ny midrasa koa dia ny boky mirakitra izany fivoasana izany sy ny lahatsoratra mamelabelatra azy ireo ary ny fomba fiasa anatanterahana izany fivoasana izany.

Voasoratra tany amin' ny taona 200 tal. J.K. any ho any ny midrasa tranainy indrindra, ary tamin' ny taonjato faha-12 taor. J.K. ny farany indrindra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne