Ny mpaminanin' ny jodaisma na mpaminanin' i Israely dia mpaminany manana fahafahana hamantatra ny zavatra hitranga amin' ny hoavy amin' ny alalan' ny tsindrimandry avy amin' Andriamanitra, ka manambara izany mialoha amin' ny alalan' ny teniny mivantana na ny soratra ataony sady miteny amin' ny anaran' Andriamanitra hampita ny hafany. Hetsehin' Andriamanitra sady miasa amin' ny anaran' Andriamanitra ny mpaminany ka mety hifanohitra amin' ny hevitry ny mpiara-belona aminy izy noho izany. Ao amin' ny fivavahana jiosy ny mpaminany dia manambara ny zava-doza mety hitranga tokoa raha tsy miova fitondran-tena ny vahoaka, ary ireo mpaminany ireo dia mampiseho famantarana sy fahagagana mba hinoana izay voalazany. I Abrahama no mpaminany voalohany voalaza ao amin' ny Torah. Atao hoe נביאים / nevi'im na nebhi'im ny mpaminany amin' ny teny hebreo.