Mpitsara ao amin' ny Baiboly

Ny mpitsara ao amin' ny Baiboly dia olona nomen'Andriamanitra fahefana ka tsy hoe hitsara fotsiny fa indrindraindrindra hitondra ara-pôlitika na ara-tafika ihany koa mba hanafaka ny firenena israelita amin'ny fangejan'ireo firenena miady aminy. Amin'ny teny hebreo dia שופט‬ / shofet (raha tokana) na שופטים‬ / shoftim (raha maro) no ilazana ny mpitsara.

Ao amin'ny Baiboly hebreo dia voalaza fa shofet ("mpitsara") teo amin'ny Israelita i Mosesy ary nanendry mpitsara hafa izay nomeny fahefana amin'ny zavatra sasany araka ny tolokevitr'i Jetro, rafozan-dahiny madianita (Eksôdosy 18.13-26), izy. Ny Bokin'ny Mpitsara dia miresaka ny amin'ny mpitsara roa ambin'ny folo izay nitsara an'i Israely: i Ôtniela, i Ehoda, i Samgara, i Debôrà (vehivavy), i Gideôna, i Tôlà, i Jaira, i Jefta, i Ibtsana (na Ibzana), i Elôna, i Abdôna ary i Samsôna. Ny Boky voalohan'i Samoela dia miresaka an'i Ely sy i Samoela, ary koa i Jôela (na Jôely) sy i Abia (izay samy zanaka lahin' i Samoela). Ny Boky voalohan'ny Tantara dia miresaka an'i Kenania sy ireo zanany lahy. Ny Boky faharoan'ny Tantara dia miresaka an'i Amaria sy i Zebadia (zanak'i Ismaela).

Amin'ny ankapobeny dia tsy manao ireo mpitarika ireo ho "mpitsara" ny lahatsoratry ny Baiboly, fa milaza fotsiny fa "nitsara an'i Israely" izy ireo, amin'ny fampiasana ny matoanteny hoe שָׁפַט / sh-f-t[1]. Ohatra, "nitsara an'i Israely" i Ôtniela (Mpits. 3.10), "nitsara an'i Israely i Tola nandritra ny telo amby roapolo taona" (Mpits. 10.2) ary i Jaira nitsara an'i Israely nandritra ny roa amby roapolo taona (Mpits. 10.3).

  1. Hauser, Alan J. (1975). "The 'Minor Judges': A Re-Evaluation". Journal of Biblical Literature. 94 (2): 190–200.doi:10.2307/3265729. ISSN 0021-9231..

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne