Koninkrijk der Nederlanden ((nl)) | |||||
Fanjakan'i Nederlandy ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Je maintiendrai | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | nerlandey | ||||
Renivohitra | Amsterdam 52° 22′ nord, 4° 53′ est | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Amsterdam | ||||
Fitondrana sy governemanta - {{{titres_dirigeants}}} |
Fanjakana entin'Antenimiera {{{noms_dirigeants}}} | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 135 41 530 km² 18,41 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (novambra 2014) - hakitroka |
faha 59 16902103[1] mpo. 407 mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Nerlandey | ||||
IDH (2012) | (mitombo) 0,921[2] (ambony be) faha-4/194 | ||||
Sandam-bola | Euro, (dôlara amerikanina any amin'ny Nederlandy karibeanina) (EUR )
| ||||
Faritr'ora | UTC +1 (CET);
oram-pahavaratra : UTC+2 (CEST); UTC-4 (Nederlandy karibeanina) | ||||
Hiram-pirenena | Wilhelmus van Nassouwe | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+31[3]
|
I Nederlandy na Peibà , izay atao hoe koa Fanjakan' i Nederlandy, dia firenena any Eorôpa Andrefana, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Avaratra ao avaratra sy andrefany izy sady miray sisin-tany amin’ i Belzika any atsimony sy amin’ i Alemaina any atsinanany. Amin' ny teny neerlandey izy dia atao hoe Nederland na Koninkrijk der Nederlanden. Ny tena renivohitr' i Nederlandy dia i Amsterdam. Tsy toerana misy ny governemanta anefa ny ao. Ny Antenimeram-Pirenena (amin' ny fiteny nerlandey: 'Tweede Kamer') dia any Den Haag. Fitondrà-mpanjaka fehezin-dalam-panorenana no misy ao Nederlandy, ka manjaka ihany ny mpanjaka nefa tsy misahana ny fampandehanan-draharaha eo amin’ ilay firenena. I Nederlandy dia iray amin' ireo firenena izay nanangana ny Vondrona Eorôpeana.
Mihoatra ny 17 tapitrisa ny olona miaina ao. Anisan’ ireo firenena misy mponina be hakitroka indrindra ao Eorôpa i Nederlandy. Ny mponina any Nederlandy dia antsoina hoe Nederlandey na Neerlandey. Ny fitenin' i Nederlandy dia antsoina hoe fiteny hôlandey.
I Nederlandy dia ahitana velaran-tany vokatry ny fanotofana eny an-dranomasina anitarana ny taniny, atao hoe pôldera. Iva (tsy mihoatra ny 300 m) ny vohon-tanin’ i Nederlandy. Maro ireo lakandrano mamakivaky an’ i Nederlandy, izay ahafahana manary ny rano any ivelany mba tsy hahatonga ny tany ho tondraky ny ony sy ny ranomasina. Tao amin’ ny tantarany dia ravaravan’ ny tondra-drano maro i Nederlandy.
Mandroso ara-toekarena i Nederlandy. Manondrana vokatry ny fambolena (indrindra ny voninkazo tulipe) sy vokatry ny fiompiana (vokatra azo avy amin’ ny ronono ty ny frômazy, sns sy hena). Mandalo serana-tsambo maro ny entam-barotra, ka isan’ izany ny ao Rotterdam izay seranan-tsambo voalohany indrindra maneran-tany.
Tafiditra tao amin’ ny Empira Rômana ny faritra misy an’ i Nederlandy ankehitriny, avy eo nanani-bohitra sy niorim-ponenana tao ny Franka sy ny Saksôna tamin’ ny taonjato faha-5 taor. J.K. Nifandimby nanjakazaka tao ny Jermàna (tamin’ ny alalan’ i diokan’ i Bourgogne avy eo tamin’ ny alalan’ ny dinastian’ ny Habsborga. Niaraka tamin’ izay koa dia nisy tanàn-dehibe natanjaka dia natanjaka izay nandroso nanomboka tamin’ ny taonjato faha-12. Tamin’ ny taona 1566 dia nitroatra nanohitra an’ i Espaina teo ambany fahefan’ ny Habsborga i Nederlandy ka nanambara ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1579 ka nitondra ny anarana hoe Faritany Miray (frantsay: Provinces-Unies). Ny firoboroboan’ ny toekarena tao amin’ izany fanjakana izany dia nahatratra ny tampony vokatry ny varotra zava-manitra fanatsarana tsiro sy fofon-tsakafo. Tamin’ ny taona 1794 anefa dia nandrava ny fisian’ ny Faritany Miray ny fananiham-bohitry ny Frantsay ary niforona taorian’ izany ny Fanjakan' i Hôlandy izay nakambana tao amin’ ny Empira Frantsay. Nahazo ny fahaleovan-tenany indray i Nederlandy tamin’ ny taona 1815, taorian’ ny fianjeran’ ny fitondran’ i Napoléon Bonaparte. Tsy naharitra ny fikambanany tamin’ i Belzika ka natsangana ny demôkrasian’ antenimiera tamin’ ny taona 1848. Nitoetra ho firenena tsy miandany i Nederlandry nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa dia mbola nanambara ny tsy fiandaniany izy nefa nanafika azy i Alemaina. Taorian’ ny ady dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Indônezia izay zanatany nederlandey. Tamin’ ny taona 1957 dia anisan’ ny firenena mpanorina ny fananganana an’ i Eorôpa izy. Izy koa dia anisan’ ireo mpikambana mpanorina ny Benelux (Belzika, Nederlandy, Luxembourg), izay fiaraha-miasa ara-toekarena niorina tamin’ ny taona 1958.