Nevi'im

Ny Nevi'im na Nebi'im ("mpaminany") dia ilazàna ireo boky izay mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ ny Baiboly hebreo (atao hoe Tanakh) manomboka eo amin’ ny Bokin’ i Jôsoa ka miafara amin’ny Bokin' i Malakia. Ny fizaràna atao hoe Torah no eo alohany fa ny fizaràna atao hoe Ketuvim koasa no ao aoriany. Tsy afangaro amin' ny lazain' ny Kristiana hoe "bokin'ny mpaminany" ny "Mpaminany" na "Nevi'im" ao amin' ny Baiboly hebreo.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne