Ny Vavak' i Azariasa sy ny Tonon-kiran' ireo Zatovolahy telo ao anaty afo

Sary hosodoko maneho ireo zatovolahy telo (ao amin'ny ilany ankavia), natao tamin'ny taona 1550 any ho any.

Ny Vavak' i Azariasa sy ny Tonon-kiran' ireo Zatovolahy telo ao anaty afo dia lahatsoratra ao amin' ny Bokin' i Daniely ao amin' ny Baiboly katôlika sy ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa izay tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo sy ao amin' ny Baiboly prôtestanta. Anisan' ireo soratra fanampiny izany. Ao amin' ny Daniely 3.24-90 no ahitana azy ireo. Tsy voasoratra tamin’ ny fiteny hebreo na arameana tany amboalohany io lahatsoratra io fa tamin' ny fiteny grika.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne