Paragoay

Sainan' i Paragoay
Saritanin' i Paragoay

I Paragoay dia firenena ao Amerika Atsimo. Ny renivohiny dia i Asunción. Ny tanàna lehibe indrindra dia Asunción. Mirefy 406 752 km2 ny velaran-taniny ary miisa 6 561 748 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia –4.

Firenena tsy manana morontsiraka i Paragoay, ny Renirano Paraguay dia mamakivaky ilay firenena avy any avaratra mankany atsimo ary mizara ny tanim-pirenena ho faritra roa mifanipaka. Any amin' ny faritra andrefana, i Chaco (na Paragoay Andrefana) dia lemak' antsanga, rakotra zavamanry maitso sy heniheny ary alan-kazo madinika. Any atsinanana, i Paragoay Atsinanana dia mifanandrify indrindra amin' ny fitohizan' ny Lembalemba Paraná, izay mahaforona faritanin-drano lehibe ahitana korian-drano (i Paraná Ambony sy i Paraguay ary i Pilcomayo), ny Farihy Ypoá ary korian-drano mahafinaritra maro (indrindra ny riandranon' i Guairá). Rakotra ala mikitroka i Paragoay Atsinanana.

Manodidina ny 95 % amin' ny Paragoaiana no mipetraka any amin' ny faritra atsinanana. Kristianina ny ankamaroan' ireo mponina ireo.

Ny fambolena sy ny fanodinana sakafo no iompanan' ny toekaren' i Paragoay. Manana loharanon-kerin' aratra tena lehibe koa ilay firenena: saika ny herin' aratra rehetra ao amin' io firenena io dia avy amin' ny tohodranon' i Itaipú, eo amin' ny ony Paraná (any atsimo-atsinanana, eo amin' ny sisintany manasarana azy amin' i Brezily). Malemy noho ny krizy ara-bola izay namely an' i Amerika Atsimo tamin' ny faramparan' ny taompolo 1990 anefa ny toekaren' i Paragoay.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne