Ny Paska na Paka dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny nitsanganan' i Jesoa ho velona, araka ny lovantsofina voasoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay niseho tamin' ny andro fahatelo taorian' ny nanomboan' ny Rômana azy tamin' ny hazo fijaliana tao Kalvary tokony tamin' ny taona 30[1][2]. Isan' ny fety malaza indrindra eo amin' ny fivavahana kristiana ny Paska. Fety miovaova daty ny Paska: eo anelanelan' ny 22 Marsa sy 25 Avrily no misy azy. Afa-tsy ho an' ny Fiangonana tatsinanana izay mankalaza azy araka ny tetiandro joliana amin' ny fotoana mampitovitovy faharetana ny andro sy ny alin' ny lohataona amin' ny 21 Marsa (ekinôksa).