Ny Pentateoka dia fitambaran' ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly, izany hoe ao amin' ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an' io ao amin' ny Testamenta Taloha dia ny Boky ara-tantara sy ny Bokim-pahendrena ary ny Bokin' ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak' izany. Ny Pentateoka no ataon' ny Jiosy amin' ny teny hebreo hoe Torah ("lalàna").