Protophyta

Ny Protophyta dia vondron' ny zavamananaina bitika eokariôta tokan-tsela (prôtista) izay heverina fa misy ifandraisany amin' ny zavamaniry satria aotôtrôfa. Efa lany andro anefa ity fanasokajiana ity ankehitriny. Ity vondrona ity dia ahitana ny ahidrano sy ny holatra tokan-tsela, izay avondrona ao amin' ny Protista miaraka amin' ny Protozoa. Tsy dia ampiasaina firy io teny io ankehitriny.

Tsy heverina ho anisan' ny Plantae intsony amin' izao fotoana izao ny ahidrano (Algae) sy ny holatra (Fungi), nefa mbola ampiasaina ao amin' ny bôtanika araka ny fahazarana taloha, izay nanasokajy azy ireo ho zavamaniry.

Miovaova be ny dikan' ny teny hoe Protophyta ao amin' ny literatiora. Nahitana ny ahidrano sy ny savoronala izay ao amin' ny Thallophyta ary ny ampanga ao amin' ny Cormophyta ny Protophyta. Tamin' ny taona 1889, i Haeckel dia nanavaka ny Protophyta foronin-sela tokana sy ny Metaphyta maro sela. I Čelakovsky dia nampiasa ny teny hoe Protophyta tamin' ny taona 1897 hanondroany ny Thallophyta.

Ao amin' ny fikôlôjia (fandalinana ny momba ny ahidrano) izy ireo dia ahitana indrindraindrindra:

  • ny Chlorophyceae;
  • ny Chrysophyceae;
  • ny Dictyochophyceae;
  • ny Dinophyta;
  • ny Euglenophyceae;
  • ny Prymnesiophyceae;
  • ny Xanthophyceae.

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne