Protozoa

Arcella sp., amiba ao amin' ny fisampanana Amoebozoa.

Ny Protozoa, ao amin' ny biôlôjia, dia prôtista (eokariôta amin' ny ankapobeny tokan-tsela sady tsy misy tambatsela misahana anjara asa manokana) heterôtrôfa afaka mihetsika, izay mihinana ny sakafony amin' ny alalan' ny fagôsitôzy, tsy toy ny prôtista hafa. Avy amin' ny teny grika hoe πρῶτος / prôtos ("voalohany") sy ζῷον / zôon ("biby") ny teny hoe protozoa.

Ny prôtôzôa dia zavamananaina kely, manakaiky ny milimetatra ny lehibe indrindra, izay misy amin' ny endrika sela tokana na sela maromaro miara-miaina amin' andiany eo amin' ny toerana iray. Tsy manana firafitra telo habe izay mampiavaka ny zavamananaina maro sela saro-drafitra ny Protozoa. Raha miara-miaina amin' ny endrika andiany eo amin' ny toerana iray ny prôtôzôa sasany dia afaka mamorona soperôrganisma (ohatra ny Dictyostelium discoideum) izay somary lasa lavitra kokoa amin' ny fitsinjarana asa eo amin' ny sela ka manakaiky ny lamina misy ao amin' ny zavamananaina maro sela.

Miaina anaty rano na amin' ny tany mando na anatin' ny zavamananaina hafa (ao amin' ny tsilolin' ny havokavoka, ny an' ny tsinay, ny an' ny vahindrorohan' ny biby mandinika, sns.) ny Protozoa. Fantatra fa tompon' andraikitra amin' ny aretina maro toy ny tazomoka sy ny fivalanan-dra sasany toy ny amibiazy izy ireo.

Parafiletika ny vondron' ny Protozoa, koa noho izany dia tsy mahaforona taksôna manan-kery intsony ao amin' ny fanasokajiana kladista, fa mijanona ho "fanjakana" ekena amin' ny fanasokajiana evôlisiônista: tsy tafiditra ao anatin' io vondrona io ny Bikonta, na dia nahavery ny fahafahany manao fôtôsentezy aza (ny fampidirana azy ireo dia hahatonga ilay vondrona ho pôlifiletika), fa nampidirina ho anisan' ny Chromista.

Misy miseho amin' ny endrika malalaka sy amin' ny endrika katsentsitra izy ireo. Anisan' ny endrika malalaka ny amiba toa ny Amoeba proteus sy ny paramesia toa ny Paramecium caudatum. Trypanosoma dia endrika katsentsitra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne