I Roanda na Repoblikan' i Roanda dia firenena ao Afrika Atsinanana, ao afovoan' ny faritry ny Farihy Lehibe, tsy manana morontsiraka, fa ny farihy Kivu no eo amin' ny tapany andrefana. I Kigali no renivohiny. Atao hoe Roandey ny vahoakan' ity firenena ity. Anisan' ireo firenena kely velarana indrindra ao Afrika izy, amin' ny velaran-taniny mirefy 26 338 km². Ireto ny manodidina azy mivantana: i Oganda no ao avarany, i Tanzania sy i Borondy no ao atsimony, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy ny farihy Kivu no ao andrefany, ary i Kenia no ao atsinanany.
Atao hoe Rwanda na Republic of Rwanda izy amin' ny teny anglisy fa Rwanda na Republique de Rwanda koa amin' ny teny frantsay. Atao hoe Repubulika y'u Rwanda izy amin’ ny teny kiniaroanda, Republic of Rwanda amin' ny teny anglisy ary Jamhuri ya Rwanda amin' ny teny soahily.
Anjakan' ny lembaleba avo sy ny tendrombohitra ny vohon-taniny. Ny tampona avo indrindra ao Roanda dia ny afotroa Karisimbi, izay manana haambo 4 507 m, sady hita ao amin' ny tandavan-tendrombohitr' i Virunga, ao amin' ny faritra avaratra-andrefana. Mifandimby ao amin' ny faritra atsinanana manamorona ny renirano Kagera ny hivoka sy ny farihy ary ny honahona; ity renirano ity no lava indrindra amin' ireo loharanon' i Nily, izay hita ao amin’ ny sisin-taany manasaraka an' i Roanda amin' i Tanzania.
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Roanda. Manembantsembana ny fandrosoan' ity firenena ity ny tsy fananany ranomasina. Na dia izany aza dia izy, ankehitriny, no isan' ny firenana azo lazaina fa mandroso indrindra aty Afrika.
I Roanda no misy mponina makitroka indrindra eran' i Afrika (483 mp/km²) noho ny isan' ny mponiny mahatratra 12 712 431 tamin' ny taona 2020. Ny vahoakan' i Roanda dia ireo Hoto mpamboly maro an' isa sy ny Totsy mpiompy ary ny Toà izay karazana Pigmea. Be mpanaraka indrindra any Roanda ny fivavahana kristiana. Ny fivavahan-drazana animista koa dia be mpanaraka ihany koa. Tamin' ny taomplo 1990 dia ravan’ ny ady an-trano nampifanandrina ny Totsy sy ny Hoto i Roanda, izay nahafatesana olona miisa 800 000 any ho any sady niteraka fifindrà-monina sy fitsoaham-ponenana (olona miisa 3 000 000 any ho any no nifidra ao anatiny ihany fa ny 2 000 000 nandositra any ivelany).
Zanatany alemàna, avy eo zanatany belza, i Roanda izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1961. Ny fiteny frantsay, kiniaroanda, anglisy ary soahily no fiteny ôfisialy any Roanda.