Coordinates: 18°55′25″S 47°31′56″E / 18.92361111°S 47.532222222222224°E
Ny Rova Manjakamiadana na Rovan' Antananarivo, matetika antsoina hoe Rova, dia fitambarana lapa sy trano ary toerana samihafa voahodidina manda ao afovoan' ny faritra ambony ao Antananarivo, renivohitr' i Madagasikara. Ny ampahany maro amin' ity rova ity dia naorin' ny mpahay maritrano nohafaran' ny mpanjaka isan-karazany avy any amin' ny Fanjakana Mitambatra (United Kingdom) sy avy any Frantsa tamin' ny taonjato faha-19.
Ny endriky ny Rovan' Antananarivo dia dimilafy amin' ny ankapobeny. Manerinerina eo ampovoan' ny renivohitr' i Madagasikara eny an-tampon' ny havoanan' Analamanga. Ny ao anatiny dia ahitana lapa maro, ka anisan' izany ny Lapa Manjakamiadana.